• Les cantiques FFPM

    (♫*`¯`*♫.`).(`.♫*`¯`*♫)888888888888888888888888888888888888888888888888888888(♫*`¯`*♫.`).(`.♫*`¯`*♫)
    (.♫`(`.♫.`).♫)888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888(.♫`(`.♫.`).♫)
    ("*")888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888("*")
    8888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888

    F I H I R A N A

    cantiques set louanges

    HIVAVAHANA

    amin’

    ANDRIAMANITRA

    ╔════════════════════════════════════════════════════╗

    Avoakan’ny

    Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta
    eto
    MADAGASIKARA

    (F.F.P.M.)

    ▄▄▄▄▄▄▄▄▄▄▄▄▄▄

    TENY FANOLORANA

    Isaorana anie Andriamanitra fa Izy « no miasa… na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. »
    (Filipiana 2:13)

    Ny Baiboly malagasy > Epistily > Filipiana
    Filazalazana ny toe-piaina sy ny toe-panahy tokony hananan’ny Kristiana

    Ny Baiboly Soratra Masina

    Paoly sy Timoty, mpanompon'i Kristy Jesosy, mamangy ny olona masina rehetra ao amin'i Kristy Jesosy mbamin'ny mpitandrina [episkopo] sy ny diakona izay any Filipy

    Baiboly Protestanta Malagasy
    Filipiana toko 2 andininy 13

    Filipiana 2:13. « Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. »

    ▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀

    Ny BaibolyTenin'AndriamanitraBaiboly katolika
    Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Filipiana

    Filipiana toko 2
    Ny amin'ny firaisan-kevitra sy ny fanetren-tena
    Ny fikezahana mafy hahazoana famonjena
    Ataony tsara laza Timote sy Epafrodita

    Filipiana toko 2 andininy 13
    13fa Andriamanitra no manao ao aminareo ny mikasa sy ny manao, sy hanatanteraka ny hevi-pitiavany ny aminareo.

    ▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀

    Ny Soratra MasinaFandikan-tenin'ny tontolo vaovao
    Epistily nosoratan' i Paoly ho an' ny Filipiana

    Filipianina 2:13. « Andriamanitra mantsy no miasa ao anatinareo satria izany no mahafinaritra azy. Amin’izay dia sady maniry ianareo no manatanteraka. »

    ▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀

    MG1865 baiboly malagasy
    Testamenta vaovao

    Filipiana toko 2
    [Anatra hamporisika ny Filipiana hitondra tena tsara sy hanetry tena tahaka an'i Jesosy Kristy]
    13. Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony.

    ▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀

    Baiboly Malagasy DIEM
    DIEM (Dikan-teny iombonana Eto Madagasikara)

    Filipianina toko 2
    13 satria miasa ao anatinareo hatrany Andriamanitra hahatonga anareo hikasa sy hahatanteraka izay mifanaraka amin'ny safidim-pony.

    prier

    Ny vavaky ny Tompo no tokony hitarika ny Fiangonana amin’ny fiainany sy ny asany "mba ho iray ihany izy rehetra... mba hinoan'izao tontolo izao fa Hianao no nariraka Ahy." (Jaona 17:21).

    Testamenta Vaovao > Ny Filazantsara araka an'i Jaona > Jaona toko 17
    Talohan’ny nijaliany tao Getsemane dia nanolotra ilay Vavaka Fanalalanana Lehibe nataony ny Mpamonjy. Nivavaka Izy mba hahafantaran’ireo mpianany sy ireo rehetra izay manaraka Azy, ny Ray any An-danitra, ka hahazo ny fiainana mandrakizay, ary nivavaka Izy mba ho iray Taminy sy ny Rainy izy ireo.

    Jaona 17:20–26
    Jesosy Kristy mivavaka ho an’ny olona rehetra izay manaiky ny filazantsarany.

    ▄▄▄▄▄▄▄▄▄▄▄▄▄▄

    Baiboly Protestanta Malagasy
    Jaona toko 17 andininy 20-26

    20. Nefa tsy ho an'ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny
    21. mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato Amiko, ary Izaho koa ao Aminao, mba ho ao Amintsika koa izy mba hinoan'izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy.
    22. Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika :
    23. Izaho ao aminy, ary Hianao ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr'izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy.
    24. Ray ô, tiako mba ho any amiko amin'izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy ; fa efa tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao.
    25. Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao ; fa Izaho nahalala Anao, ary ireto efa mahalala fa Hianao no naniraka Ahy.
    26. Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ao aminy.

    ▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀

    Ny Baiboly — Tenin'Andriamanitra — Baiboly katolika
    Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

    Joany toko 17
    Fivavahana nataon'i Jesoa-Kristy

    Joany toko 17:20-26
    20Tsy ho azy ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay hino ahy noho ny teniny koa : 21mba ho iray izy rehetra, tahaka anao, Ray, ato amiko, ary izaho ao aminao, ary mba ho iray ao amintsika koa izy, ka hinoan'ny olona fa hianao no naniraka ahy. 22Efa nomeko azy ny voninahitra nomenao ahy, mba ho iray izy tahaka ny maha-iray antsika : 23Izaho moa ao aminy, hianao kosa ato amiko, mba ho tena iray tokoa izy ireo, ka ho fantatr'izao tontolo izao fa hianao no naniraka ahy. 24Ray ô, tiako hiaraka amiko, any amin'izay itoerako, ireo nomenao ahy, mba hahita ny voninahitra nomenao ahy, satria efa tia ahy talohan'ny nahariana izao tontolo izao hianao. 25Ray marina ô, tsy nahalala anao izao tontolo izao, fa izaho no nahalala anao, ary ireto koa no nahalala fa hianao no naniraka ahy. 26Efa nampahafantariko ny anaranao izy, sady mbola hampahafantariko koa, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao ahy, ary mba ho ao aminy koa aho.

    ▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀

    Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin'ny tontolo vaovao
    Jaona toko 17:20-26

    Jaona toko 17
    20 “Tsy ho an’ireto ihany anefa no angatahako fa ho an’izay mino ahy noho ny teniny, 21 mba ho iray izy rehetra, tahaka anao Ray izay tafaray amiko, ary izaho tafaray aminao, mba ho tafaray amintsika koa izy ireo, ka hinoan’izao tontolo izao fa ianao no naniraka ahy. 22 Efa nomeko azy ireo koa ilay voninahitra nomenao ahy, mba ho iray tahaka antsika koa izy ireo. 23 Izaho tafaray aminy ary ianao tafaray amiko, mba ho iray tanteraka izy ireo, ka ho fantatr’izao tontolo izao fa ianao no naniraka ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao ahy. 24  Ray ô, mba tiako hiaraka amiko any amin’izay misy ahy ireo nomenao ahy, mba hahitany ny voninahitro izay nomenao ahy, satria ianao efa tia ahy talohan’ny nanorenana izao tontolo izao. 25 Ray ô, marina ianao, ary tsy mahalala anao izao tontolo izao, fa izaho efa mahalala anao, ary ireto koa efa mahalala fa ianao no naniraka ahy. 26 Efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ilay fitiavana izay nitiavanao ahy, ary izaho ho tafaray aminy.”

    ▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀

    MG1865 baiboly malagasy
    Testamenta vaovao
    Jaona toko 17:1-26
    [Ny vavaka nataon’ i Jesosy ho an’ ny mpianany]

    Jaona toko 17
    20. Nefa tsy ho an’ ireto ihany no angatahako, fa ho an’ izay mino Ahy koa noho ny teniny
    21. mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy, mba hinoan’ izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy.
    22. Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika :
    23. Izaho ao aminy, ary Hianao ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr’ izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy.
    24. Ray ô, tiako mba ho any amiko amin’ izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy fa efa tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan’ izao tontolo izao.
    25. Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao ; fa Izaho nahalala Anao, ary ireto efa mahalala fa Hianao no naniraka Ahy.
    26. Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy.

    ▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀

    Baiboly Malagasy DIEM
    DIEM (Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara)
    Jôhany

    Jôhany toko 17
    Nanandratra ny masony any an-danitra i Jesoa ka nanao hoe :
    20 « Tsy ho an'ireto ihany no ivavahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny.
    21 Mivavaka Aho mba ho iray izy rehetra : Ray o, enga anie ho ao anatintsika izy rehetra tahaka Anao ato anatiko ary Izaho ao anatinao, mba hinoan'izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy.
    22 Efa nomeko azy ireo ny voninahitra nomenao Ahy mba ho iray izy tahaka ny maha iray antsika :
    23 Izaho ao anatiny, Ianao ato anatiko, hany ka ho iray tanteraka izy, dia ho fantatr'izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy sady Ianao efa tia azy ireo tahaka ny nitiavanao Ahy.
    24 Ray o, tiako hiaraka amiko any amin'izay misy Ahy ireo nomenao Ahy mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy noho Ianao efa tia Ahy talohan'ny nahariana izao tontolo izao.
    25 Ray o, mandala ny rariny Ianao, ka tsy nahalala Anao izao tontolo izao, fa Izaho no nahalala Anao, ary ireto efa nahalala fa Ianao no naniraka Ahy.
    26 Efa nampahafantariko azy ireo ny anaranao sady mbola hampahafantariko hatrany, mba ho ao amin'ireo ny fitiavana izay nitiavanao Ahy ary mba ho ao anatiny koa Aho.

    les lettres de Paul

    Ary hoy Paoly apostaoly : "mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika." (Romana 15:6)

    Epistily nosoratan’i Paoly ho an’ny Romana

    Iza no nanoratra ity boky ity ?

    Paoly no nanoratra ny Epistily ho an’ny Romana. Apostoly iray ao amin’ ny Testamenta Vaovao i Paoly. Saoly no anarany amin’ny teny Hebreo, ary izany no anarana nentiny talohan’ny nanombohany ny asa fitoriany tamin’ny Jentilisa.

    Ny Epistily nosoratana ho an’ny Romana no epistily lava indrindra nosoratan’i Paoly. Ity epistily ity dia ahitana ny fanazavana sarotra indrindra nataon'i Paoly momban'ny fototry ny fampianaran’ny fanamarinana amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy Kristy toy izay amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny lalàn’i Mosesy. Mirakitra fampianarana maro momba ireo fotopampianaran’ny famonjena sy ny fampiharana ireo fotopampianarana ireo eo amin’ny fiainana andavanandro izany.

    Rehefa nanoratra ity epistily ity i Paoly dia nila ny fanampian’ny mpanoratra iray, dia i Tertio, izay nanoratra ny fiarahabany manokana ny Olomasina Romana rehefa akaiky hifarana ilay epistily

    Romana 16:22. « Izaho Tertio, izay manoratra ity epistily ity, manao veloma anareo ao amin'ny Tompo. »

    Testamenta Vaovao > Epistily nosoratan'i Paoly > ho any fiangonana ao Roma

    Baiboly Protestanta Malagasy
    Romana toko 15

    Romana 15:1. Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen'ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany.
    Romana 15:2. Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin'izay hahasoa sy hampandroso azy.
    Romana 15:3. Fa Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany fa araka ny voasoratra hoe :
    "Ny latsa nataon'izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko (Salamo 69:9)."
    Romana 15:4. Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana ny amin'ny faharetana sy ny fiononana avy amin'ny Soratra Masina.
    Romana 15:5. Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an'i Kristy Jesosy.
    Romana 15:6. mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika.

    ▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀

    Ny Baiboly — Tenin'Andriamanitra — Baiboly katolika
    Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

    Romana toko 15
    Tokony handefitra amin'ny malemy, toraka ny nataon'ny Kristy

    Romana toko 15:1-6

    1Isika izay matanjaka dia tokony handefitra ny fahalemen'izay osa, fa tsy hanao izay mahafaly ny tenantsika fotsiny. 2Samia mitady izay hahafaly ny namana, amin'izay hahasoa azy, hahatarika azy amin'ny tsara. 3Fa tsy nitady ny hahafaly ny tenany ny Kristy fa araka ny voasoratra hoe : "Ny latsan'izay nandatsa anao dia nihatra tamiko." (Salamo 69:9) 4Ary izay rehetra voasoratra taloha dia natao ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin'ny fandeferana sy ny fanalana alahelo avy amin'ny Soratra Masina. 5Andriamanitry ny fandeferana sy ny fanalana alahelo anie hampiray hevitra anareo araka an'ny Kristy Jesoa, 6mba hiarahanareo mankalaza an'Andriamanitra Rain'i Jesoa-Kristy Tompontsika, amin'ny fo iray sy vava iray.

    ▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀

    Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin'ny tontolo vaovao
    Romanina 15:1-6

    01 Isika izay matanjaka anefa dia tokony hizaka ny fahalemen’izay tsy matanjaka, fa tsy hanao izay mahafaly ny tenantsika. 02 Aoka isika samy hanao izay mahafaly ny namany amin’izay tsara, dia izay mampahery azy. 03 Na i Kristy aza mantsy tsy nanao izay nahafaly ny tenany. Izany dia araka ny voasoratra hoe : “Mihatra amiko ny latsa nataon’ireo nandatsa anao.” (Salamo 69:9) 04 Fa izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny alalan’ny fiaretantsika sy ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina. 05 Ilay Andriamanitra manome fiaretana sy fampiononana anie hahatonga anareo samy hanana ilay toe-tsaina mitovy amin’izay nananan’i Kristy Jesosy, 06 mba hiray saina ianareo ka ho vava iray ihany no hankalazanareo an’ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika !

    ▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀

    MG1865 baiboly malagasy
    Testamenta vaovao > Romana toko 15

    Romana 15

    15:1 Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany.
    15:2 Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin’izay hahasoa sy hampandroso azy.
    15:3 Fa Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany fa araka ny voasoratra hoe : “Ny latsa nataon’ izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko”. (Salamo 69:9)
    15:4 Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ ny Soratra Masina.
    15:5 Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an’ i Kristy Jesosy,
    15:6 mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an’ Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika.

    ▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀

    Baiboly Malagasy DIEM
    DIEM (Dikan-teny iombonana Eto Madagasikara)
    Rômanina

    Rômanina toko 15
    1 Adidintsika izay matanjaka ara-pinoana ny mizaka ny fahosan'ny malemy, fa tsy dia hanao izay mahafaly ny tenantsika fotsiny.
    2 Samia isika manao izay mahafaly ny namantsika amin'izay mahasoa ka mampiorina azy amin'ny finoana.
    3 Satria i Kristy koa tsy nikatsaka izay hahafaly ny tenany, fa araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe : "Ny latsa nataon'izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko." (Salamo 69:9)
    4 Eny, izay rehetra hitantsika ao amin'ny Soratra Masina dia voasoratra ho fampianarana antsika mba hananantsika ny fanantenana no ho ny faharetana sy ny fampaherezana avy amin'ny Soratra Masina.
    5 Ary Andriamanitra loharanon'ny faharetana sy ny fampaherezana anie hampiray hina anareo, hanaraka ny ohatra nomen'i Kristy Jesoa.
    6 Ka mba hiray feo ianareo hiara-manome voninahitra an'Andriamanitra, Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika.

    baiboly sy fihirana

    Noho ny fitahian'ny Tompo sy ny asan'ny Fanahy Masina dia tanteraka ny fampiraisana ny Fihirana nokarakarai'ny Fiombonan'ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara.

    Amim-pifaliana lehibe no anolorana izany, omban'ny vavaka mameno ny fo : ho fiderana an'Andriamanitra, ho famelombelomana sy fampandrosoana ny Fiangonana ary ho fitahiana ny firenena.

    « Ary ho an’Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika, ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny Fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesosy, hatramin'ny taranaka farany indrindra, mandrakizay, mandrakizay. Amena »
    (Efesiana 3:20,21)

    ▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀

    Ny Baiboly — Tenin'Andriamanitra — Baiboly katolika
    Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

    Efeziana toko 3
    Ny niantsaon'Andriamanitra ny jentily - Izy Paoly indrindra no voatendry hitory izany - Ny halehiben'ny fitiavan'ny Kristy antsika

    20Ary ho an'ilay mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahintsika sy saintsainintsika, araka ny heriny miasa ato amintsika, 21eny, ho azy anie ny voninahitra ao amin'ny Eglizy, sy ao amin'ny Kristy Jesoa, hatramin'ny taranaka farany indrindra, sy mandrakizay mandrakizay. Amena.

    Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin'ny tontolo vaovao
    Efesianina 3:20-21

    20 Ary ho an’ilay afaka manao mihoatra noho izay rehetra angatahintsika na eritreretintsika, eny, mihoatra lavitra noho izany mihitsy aza, araka ny heriny izay miasa ao anatintsika, 21 dia ho azy anie ny voninahitra, amin’ny alalan’ny fiangonana sy amin’ny alalan’i Kristy Jesosy hatrany amin’ny taranaka rehetra mandrakizay mandrakizay ! Amena.

    ▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀

    MG1865 baiboly malagasy
    Testamenta vaovao

    Efesiana 3
    Ny nanendrena an’i Paoly ho Apostolin’ny jentilisa, sy ny vavaka aman-tsaotra nataony ho an’ny fiangonana tao Efesosy

    3:20 Ary ho an’ izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,
    3:21 ho Azy anie ny voninahitra ao amin’ ny fiangonana sy ao amin’ i Kristy Jesosy hatramin’ ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena.

    ▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀▀

    Baiboly Malagasy DIEM
    DIEM (Dikan-teny iombonana Eto Madagasikara)
    Efesianina

    Efesianina toko 3
    20 Ary ho an'Andriamanitra Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay angatahintsika na heverintsika aza, araka ny heriny miasa ato amintsika,
    21 ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny Fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesoa, manerana ny taranaka rehetra mifandimby sy mandrakizay mandrakizay ! Amen.

    tongasoa

    8888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888
    ("*")888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888("*")
    (.♫`(`.♫.`).♫)888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888(.♫`(`.♫.`).♫)
    (♫*`¯`*♫.`).(`.♫*`¯`*♫)888888888888888888888888888888888888888888888888888888(♫*`¯`*♫.`).(`.♫*`¯`*♫)